Job 12:12
FLS :
Dans les vieillards se trouve la sagesse, Et dans une longue vie l'intelligence.
KJV :
With the ancient (is) wisdom; and in length of days understanding.
MLG:
Ao amin'ny fotsy volo ny fahendrena, ary ny fahela-velona no ahazoam-pahalalana.
ANKAMATATRA - QUIZ BIBLIQUE
Quiz du jeudi--12/11/2020:
Quel est le seul livre de la Bible à mentionner « une paire de sandales » ?
Reponse du Quiz du mercredi 11/11/2020
Quels hypocrites étaient capables de discerner l'apparence du ciel ?
Réponse: Matthieu 16:3 ; Luc 12:56
MLG:
« Ary nony maraina, dia hoy ianareo: Ho ratsy ny andro, fa mena sy manjombona ny lanitra. Fantatrareo ny hamantatra ny tarehin'ny lanitra, fa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo. Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia fatra-pitady famantarana; nefa tsy misy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin'i Jona ihany. Ary nandao azy Jesosy ka lasa. Ary rehefa tonga teny am-pita ny mpianatra, dia nanadino hitondra mofo izy. Ary hoy Jesosy taminy: Mihevera, ka mitandrema ianareo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo. Dia niara-nisaina izy ka nanao hoe: Ny tsy nitondrantsika mofo angaha izany. Ary Jesosy nahalala izany, dia nanao hoe: Nahoana ianareo, ry kely finoana, no miara-misaina satria tsy manana mofo? Tsy mbola mahafantatra va ianareo, ary tsy tsaroanareo va ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo, ka firy harona moa no nangoninareo? na ny mofo fito ho an'ny efatra arivo, ka firy sobiky moa no nangoninareo? Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy ny amin'ny mofo no nolazaiko taminareo? Fa tandremo, fandrao azon'ny masirasiran'ny Fariseo sy ny Sadoseo. Dia fantany fa tsy nasainy hitandrina izy, fandrao azo'ny masirasira fanaovana mofo, fa andrao azon'ny fampianaran'ny Fariseo sy ny Sadoseo. Ary rehefa tonga tany amin'ny faritanin'i Kaisaria-filipo Jesosy, dia nanontany ny mpianany Izy ka nanao hoe: Ataon'ny olona ho iza moa ny Zanak'olona?[Na: (Aho)] Dia hoy ireo: Hoy ny sasany: Jaona Mpanao-batisa; ary hoy ny sasany: Elia; ary hoy ny sasany: Jeremia, na anankiray amin'ny mpaminany. Ary hoy Jesosy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Ary namaly Simona Petera ka nanao hoe: Hianao no Kristy, Zanak'Andriamanitra velona. Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Sambatra ianao, ry Simona Bar-jona; fa tsy nofo aman-drà no naneho anao izany, fa ny Raiko Izay any an-danitra. Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin'ity vatolampy ity no haoriko ny fiangonako; ary ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hita tsy haharesy azy. [Petera = Vato; izahao Jao.1, 42] [Gr. ekl esia] [Gr. Hadesy] Homeko anao ny fanalahidin'ny fanjakan'ny lanitra; ka na inona na inona fehezinao eto ambonin'ny tany dia hofehezina any an-danitra; ary na inona na inona vahanao etc ambonin'ny tany dia hovahana any an-danitra. Ary tamin'izany dia nandrara ny mpianatra Izy mba tsy hilaza amin'olona akory fa Izy no Kristy. Hatramin'izany no vao natoron'i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin'ny andro fahatelo. Ary Petera nanohina Azy hitanila kely ka niteny mafy Azy hoe: Sanatria aminao izany, Tompoko! Tsy ho aminao tokoa izany! Fa Izy nihodina ka niteny tamin'i Petera hoe: Mankanesa ato ivohoko, ry Satana; fahatafintohinana amiko ianao, satria tsy misaina izay an'Andriamanitra ianao, fa izay an'ny olona. Dia hoy Jesosy tamin'ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. Fa na iza n a iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko, dia hahazo izany. Fa inona moa no soa ho azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao, kanefa very ny ainy? Ary inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy? Fa ho avy ny Zanak'olona amin'ny voninahitry ny Rainy, mbamin'ny anjeliny, dia hamaly ny olona rehetra araka ny nataony. Lazaiko aminareo marina tokoa: Misy ny sasany eto izay tsy mba hanandrana fahafatesana mandra-pahitany ny Zanak'olona avy amin'ny fanjakany. »
FLS:
« Il y aura de l'orage aujourd'hui, car le ciel est d'un rouge sombre. Vous savez discerner l'aspect du ciel, et vous ne pouvez discerner les signes des temps. Une génération méchante et adultère demande un miracle; il ne lui sera donné d'autre miracle que celui de Jonas. Puis il les quitta, et s'en alla. Les disciples, en passant à l'autre bord, avaient oublié de prendre des pains. Jésus leur dit: Gardez-vous avec soin du levain des pharisien s et des sadducéens. Les disciples raisonnaient en eux-mêmes, et disaient: C'est parce que nous n'avons pas pris de pains. Jésus, l'ayant connu, dit: Pourquoi raisonnez-vous en vous-mêmes, gens de peu de foi, sur ce que vous n'avez pas pris de pains? Etes-vous encore sans intelligence, et ne vous rappelez-vous plus les cinq pains des cinq mille hommes et combien de paniers vous avez emportés, ni les sept pains des quatre mille hommes et combien de corbeilles vous avez emportées? Comment ne comprenez-vous pas que ce n'est pas au sujet de pains que je vous ai parlé? Gardez-vous du levain des pharisiens et des sadducéens. Alors ils comprirent que ce n'était pas du levain du pain qu'il avait dit de se garder, mais de l'enseignement des pharisiens et des sadducéens. Jésus, étant arrivé dans le territoire de Césarée de Philippe, demanda à ses disciples: Qui dit-on que je suis, moi, le Fils de l'homme? Ils répondirent: Les uns disent que tu es Jean Baptiste; les autres, É lie; les autres, Jérémie, ou l'un des prophètes. Et vous, leur dit-il, qui dites-vous que je suis? Simon Pierre répondit: Tu es le Christ, le Fils du Dieu vivant. Jésus, reprenant la parole, lui dit: Tu es heureux, Simon, fils de Jonas; car ce ne sont pas la chair et le sang qui t'ont révélé cela, mais c'est mon Père qui est dans les cieux. Et moi, je te dis que tu es Pierre, et que sur cette pierre je bâtirai mon Église, et que les portes du séjour des morts ne prévaudront point contre elle. Je te donnerai les clefs du royaume des cieux: ce que tu lieras sur la terre sera lié dans les cieux, et ce que tu délieras sur la terre sera délié dans les cieux. Alors il recommanda aux disciples de ne dire à personne qu'il était le Christ. Dès lors Jésus commença à faire connaître à ses disciples qu'il fallait qu'il allât à Jérusalem, qu'il souffrît beaucoup de la part des anciens, des principaux sacrificateurs et des scribes, qu'il fût mis à mort, et qu'il res suscitât le troisième jour. Pierre, l'ayant pris à part, se mit à le reprendre, et dit: A Dieu ne plaise, Seigneur! Cela ne t'arrivera pas. Mais Jésus, se retournant, dit à Pierre: Arrière de moi, Satan! tu m'es en scandale; car tes pensées ne sont pas les pensées de Dieu, mais celles des hommes. Alors Jésus dit à ses disciples: Si quelqu'un veut venir après moi, qu'il renonce à lui-même, qu'il se charge de sa croix, et qu'il me suive. Car celui qui voudra sauver sa vie la perdra, mais celui qui la perdra à cause de moi la trouvera. Et que servirait-il à un homme de gagner tout le monde, s'il perdait son âme? ou, que donnerait un homme en échange de son âme? Car le Fils de l'homme doit venir dans la gloire de son Père, avec ses anges; et alors il rendra à chacun selon ses oeuvres. Je vous le dis en vérité, quelques-uns de ceux qui sont ici ne mourront point, qu'ils n'aient vu le Fils de l'homme venir dans son règne. »
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire