1 Jean 1:8
FLS :
Si nous disons que nous n'avons pas de péché, nous nous séduisons nous-mêmes, et la vérité n'est point en nous.
KJV :
If we say that we have no sin, we deceive ourselves, and the truth is not in us.
MLG:
Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.
ANKAMATATRA - QUIZ BIBLIQUE
Quiz du lundi--20/07/2020:
Où est-il écrit qu'un roi regarda par la fenêtre ?
Reponse du Quiz du dimanche 19/07/2020
De qui est-il écrit qu'il s'enfuit par peur de son frère ?
Réponse: Juges 9:21 ; Genèse 27:43-45
MLG:
« Dia riatra nandositra Jotama ka nankany Bera ary nitoetra teo mba hiery an'i Abimeleka rahalahiny. Ary rehefa nanapaka telo taona tamin'ny Isiraely Abimeleka, Andriamanitra dia naniraka fanahy ratsy tamin'i Abimeleka sy ny mponina tao Sekema; ary ny mponina tao Sekema dia nivadika nahafoy an'i Abimeleka, mba hitsingerenan'ny loza natao tamin'ny namonoana ny zanak'i Jerobala fito-polo lahy ka hanody an'i Abimeleka rahalahiny izay namono azy, sy ny mponina tao Sekema, izay nampahery ny tànany hamono ny rahalahiny.[Heb. ran'] Ary nanaovan'ny mponina tao Sekema otrika tany an-tampon-tendrombohitra izy, dia nobaboin'ny otrika izay rehetra nandalo tamin'izany lalana izany; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany. Dia tonga tao Gala, zanak'i Ebeda, sy ny rahalahiny ka nankany Sekema, ary ny mponina tao Sekema natoky azy. Dia nivoaka ho any an-tsaha izy ka nioty ny voalobony ary nanosihosy azy, dia nanao fanati-piderana ka niditra tao an-tranon'ny andriamaniny izy, dia nihinana sy nisotro ary na nozona an'i Abimeleka. Ary hoy Gala, zanak'i Ebeda: Iza moa Abimeleka, ary iza moa Sekema, no hotompointsika? Tsy zanak'i Jerobala va izy? ary tsy Zebola va no lefiny? Manompoa ny taranak'i Hamora, rain'i Sekema; fa nahoana no hanompo io isika? Ary enga anie ka ho eo ambanin'ny tanako ireto olona ireto! dia hesoriko Abimeleka. Dia hoy izy tamin'i Abimeleka: Hamaroy ny miaramilanao ka mivoaha. Ary rehefa ren'i Zebola, komandin'ny tanàna, ny tenin'i Gala, zanak'i Ebeda, dia nirehitra ny fahatezerany. Dia naniraka olona mangingina tany amin'i Abimeleka izy hanao hoe: Indro, Gala, zanak'i Ebeda, sy ny rahalahiny dia tonga ato Sekema; ary, indro, mandrendrika ny ato an-tanàna hiodina aminao izy. Koa ankehitriny, miaingà alina ianao sy ny vahoaka eo aminao, ka manotreha any an-tsaha. Ary raha maraina, raha vao miposaka ny masoandro, dia mifohaza maraina koa ianao, ka miroata hamely ny tanàna; ary, indro, raha mivoaka hiady aminao izy sy ny vahoaka eo aminy, dia ataovy aminy izay zakan 'ny tananao. Dia niainga alina Abimeleka sy ny vahoaka rehetra teo aminy ka nanao otrika efa-toko tandrifin'i Sekema, Dia nivoaka Gala, zanak'i Ebeda, ka nijanona teo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna; dia niroatra avy tao ampanotrehana Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy. Ary rehefa hitan'i Gala ny olona, dia hoy izy tamin'i Zebola: Indreo, misy olona midina avy eny an-tampon'ny tendrombohitra. Fa hoy Zebola taminy: Ny aloky ny tendrombohitra no hitanao ka toa olona. Dia niteny indray Gala ka nanao hoe: Indreo, misy olona eo amin'ny havoana, ary, indreo misy, antokony hafa mandeha amin'ny lalana eo amin'ny hazo terebinta Meonenima.[Heb. mpanandro] Dia hoy Zebola taminy: Aiza ny vavanao izay niteny hoe: Iza moa Abimeleka, no hotompointsika? Tsy ireo va no olona izay nohamavoinao? Mivoaha ankehitriny ka miadia aminy. Dia nivoaka teo anoloan'ny mponina tao Sekema Gala ka niady tamin'i Abimeleka. Dia nanenjika azy Abimeleka, ary nandositra teo anoloany izy, ka maro ny faty niampatrampatra hatreny anoloan'ny vavahady aza. Ary Abimeleka nonina tany Aroma; ary Zebola nandroaka an'i Gala sy ny rahalahiny mba tsy honina any Sekema intsony. Ary nony ampitson'iny dia nivoaka ho ratsy any an-tsaha ny olona; ary nolazaina tamin'i Abimeleka izany, Dia naka ny vahoaka izy ka nizara azy ho telo toko ary nanotrika tany an-tsaha; dia nijery izy, ka, indreo, ny olona nivoaka avy tao an-tanàna; dia nitsangana hiady aminy izy ka namely azy. Ary Abimeleka sy ny antokony izay teo aminy dia niroatra ka nitsangana teo anoloan'ny vavahadin-tanàna; ary ny roa toko kosa niroatra namely ny vahoaka rehetra tany an-tsaha ka namono azy. Ary Abimeleka namely ny tanàna mandritra izany andro izany, dia nahafaka ny tanàna ka namono ny olona tao; ary noravany ny tanàna sady nofafazany sira. Ary nony nandre izany ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, dia niditra tao amin'ny efi-trano fierena tao an-tranon'i Berita andriamaniny izy. Ary nolazaina tamin'i Abimeleka fa tafangona tao am in'ny tilikambo tao Sekema ny olona rehetra. Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin'ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa ianareo. Koa samy nikapa sampan-kazo avy ny vahoaka rehetra ka nanaraka an'i Abimeleka, dia nametraka izany teo an-trano fiarovana ka nandoro azy tamin'ny afo, raha mbola tao ny olona, ka maty koa ny olona rehetra tao amin'ny tilikambo tao Sekema, na lehilahy na vehivavy, tokony ho arivo no isany. Dia nandeha Abimeleka nankany Tebeza ary nitoby tandrifin'i Tebeza ka nahafaka azy. Fa nisy tilikambo mafy tao anatin'ny tanàna, ka nandositra tao ny lehilahy rehetra sy ny vehivavy ary izay rehetra tao an-tanàna ka nihidy tao, dia niakatra teo an-tampon'ny tilikambo izy. Ary Abimeleka nankany amin'ny tilikambo ka namely azy, dia nanatona ny varavaran'ny tilikambo izy handoro azy amin'ny afo. Fa nisy vehivavy anankiray, nanjera vato fikosoham-bary tamin'ny lohan'i Abimeleka ka nahavaky ny karan-dohany.[Heb. vato ambony] Dia nantsoin'i Abimeleka faingana ny zatovo, mpitondra ny fiadiany, ka hoy izy taminy: Tsoahy ny sabatrao, ka vonoy aho, mba tsy hanaovan'ny olona ahy hoe: Vehivavy no nahafaty azy. Dia namely azy miboroaka ilay zatovo, ka maty izy. Ary rehefa hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely fa maty Abimeleka, dia samy lasa nandeha ho any amin'ny fonenany avy izy. Izany no namalian'Andriamanitra ny ratsy nataon'i Abimeleka, izay efa nataony tamin'ny rainy tamin'ny namonoany ny rahalahiny fito-polo lahy. Ary ny ratsy rehetra nataon'ny mponina tao Sekema dia natsingerin'Andriamanitra tamin'ny lohany avokoa, ka dia nihatra taminy ilay fanozonana nataon'i Jotama, zanak'i Jerobala. »
FLS:
« Jotham se retira et prit la fuite; il s'en alla à Beer, où il demeura loin d'Abimélec, son frère. Abimélec avai t dominé trois ans sur Israël. Alors Dieu envoya un mauvais esprit entre Abimélec et les habitants de Sichem, et les habitants de Sichem furent infidèles à Abimélec, afin que la violence commise sur les soixante-dix fils de Jerubbaal reçût son châtiment, et que leur sang retombât sur Abimélec, leur frère, qui les avait tués, et sur les habitants de Sichem, qui l'avaient aidé à tuer ses frères. Les habitants de Sichem placèrent en embuscade contre lui, sur les sommets des montagnes, des gens qui dépouillaient tous ceux qui passaient près d'eux sur le chemin. Et cela fut rapporté à Abimélec. Gaal, fils d'Ébed, vint avec ses frères, et ils passèrent à Sichem. Les habitants de Sichem eurent confiance en lui. Ils sortirent dans la campagne, vendangèrent leurs vignes, foulèrent les raisins, et se livrèrent à des réjouissances; ils entrèrent dans la maison de leur dieu, ils mangèrent et burent, et ils maudirent Abimélec. Et Gaal, fils d'Ébed, disait: Qui est Abimélec, et qu'est Sichem, pour que nous servions Abimélec? N'est-il pas fils de Jerubbaal, et Zebul n'est-il pas son commissaire? Servez les hommes de Hamor, père de Sichem; mais nous, pourquoi servirions-nous Abimélec? Oh! si j'étais le maître de ce peuple, je renverserais Abimélec. Et il disait d'Abimélec: Renforce ton armée, mets-toi en marche! Zebul, gouverneur de la ville, apprit ce que disait Gaal, fils d'Ébed, et sa colère s'enflamma. Il envoya secrètement des messagers à Abimélec, pour lui dire: Voici, Gaal, fils d'Ébed, et ses frères, sont venus à Sichem, et ils soulèvent la ville contre toi. Maintenant, pars de nuit, toi et le peuple qui est avec toi, et mets-toi en embuscade dans la campagne. Le matin, au lever du soleil, tu fondras avec impétuosité sur la ville. Et lorsque Gaal et le peuple qui est avec lui sortiront contre toi, tu lui feras ce que tes forces permettront. Abimélec et tout le peuple qui était avec lui partirent de nuit, et ils se mirent en embuscade près de Sichem, divisés en quatre corps. Gaal, fils d'Ébed, sortit, et il se tint à l'entrée de la porte de la ville. Abimélec et tout le peuple qui était avec lui se levèrent alors de l'embuscade. Gaal aperçut le peuple, et il dit à Zebul: Voici un peuple qui descend du sommet des montagnes. Zebul lui répondit: C'est l'ombre des montagnes que tu prends pour des hommes. Gaal, reprenant la parole, dit: C'est bien un peuple qui descend des hauteurs du pays, et une troupe arrive par le chemin du chêne des devins. Zebul lui répondit: Où donc est ta bouche, toi qui disais: Qui est Abimélec, pour que nous le servions? N'est-ce point là le peuple que tu méprisais? Marche maintenant, livre-lui bataille! Gaal s'avança à la tête des habitants de Sichem, et livra bataille à Abimélec. Poursuivi par Abimélec, il prit la fuite devant lui, et beaucoup d'hommes tombèrent morts jusqu'à l'entrée de la porte. Abimélec s'arrêta à Aruma. Et Zebul chass a Gaal et ses frères, qui ne purent rester à Sichem. Le lendemain, le peuple sortit dans la campagne. Abimélec, qui en fut informé, prit sa troupe, la partagea en trois corps, et se mit en embuscade dans la campagne. Ayant vu que le peuple sortait de la ville, il se leva contre eux, et les battit. Abimélec et les corps qui étaient avec lui se portèrent en avant, et se placèrent à l'entrée de la porte de la ville; deux de ces corps se jetèrent sur tous ceux qui étaient dans la campagne, et les battirent. Abimélec attaqua la ville pendant toute la journée; il s'en empara, et tua le peuple qui s'y trouvait. Puis il rasa la ville, et y sema du sel. A cette nouvelle, tous les habitants de la tour de Sichem se rendirent dans la forteresse de la maison du dieu Berith. On avertit Abimélec que tous les habitants de la tour de Sichem s'y étaient rassemblés. Alors Abimélec monta sur la montagne de Tsalmon, lui et tout le peuple qui était avec lui. Il prit en main une hache, coupa une branche d'arbre, l'enleva et la mit sur son épaule. Ensuite il dit au peuple qui était avec lui: Vous avez vu ce que j'ai fait, hâtez-vous de faire comme moi. Et ils coupèrent chacun une branche, et suivirent Abimélec; ils placèrent les branches contre la forteresse, et l'incendièrent avec ceux qui y étaient. Ainsi périrent tous les gens de la tour de Sichem, au nombre d'environ mille, hommes et femmes. Abimélec marcha contre Thébets. Il assiégea Thébets, et s'en empara. Il y avait au milieu de la ville une forte tour, où se réfugièrent tous les habitants de la ville, hommes et femmes; ils fermèrent sur eux, et montèrent sur le toit de la tour. Abimélec parvint jusqu'à la tour; il l'attaqua, et s'approcha de la porte pour y mettre le feu. Alors une femme lança sur la tête d'Abimélec un morceau de meule de moulin, et lui brisa le crâne. Aussitôt il appela le jeune homme qui portait ses armes, et lui dit: Tire ton épée, et donne-moi la mort, de peu r qu'on ne dise de moi: C'est une femme qui l'a tué. Le jeune homme le perça, et il mourut. Quand les hommes d'Israël virent qu'Abimélec était mort, ils s'en allèrent chacun chez soi. Ainsi Dieu fit retomber sur Abimélec le mal qu'il avait fait à son père, en tuant ses soixante-dix frères, et Dieu fit retomber sur la tête des gens de Sichem tout le mal qu'ils avaient fait. Ainsi s'accomplit sur eux la malédiction de Jotham, fils de Jerubbaal. »
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire