1 Pierre 2:21
FLS :
Et c'est à cela que vous avez été appelés, parce que Christ aussi a souffert pour vous, vous laissant un exemple, afin que vous suiviez ses traces,
KJV :
For even hereunto were ye called: because Christ also suffered for us, leaving us an example, that ye should follow his steps:
MLG:
Fa ho amin'izany no niantsoana anareo; fa Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany;
ANKAMATATRA - QUIZ BIBLIQUE
Quiz du dimanche--05/07/2020:
Où est-ce que l'Écriture mentionne-t-elle le moyeu d'une roue ?
Reponse du Quiz du samedi 04/07/2020
Où voit-on un père et son fils embaumés ?
Réponse: Genèse 50:2,26
MLG:
« Ary nasain'i Josefa nanosotra zava-manitra an-drainy ny mpanompony izay mpanao fanafody; dia nanosotra an'Isiraely ny mpanao fanafody. Ary notanterahiny taminy ny efa-polo andro, fa izany no isan'ny andro nanosoram-paty; ary ny Egyptiana nisaona azy fito-polo andro. Ary rehefa tapitra ny andro nisaonana azy, Josefa dia niteny tamin'ny tao an-tranon'i Farao ka nanao hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonareo aho, masìna ianareo, lazao amin'i Farao, ka ataovy hoe: Ny raiko efa nampianiana ahy ka nanao hoe: Indro, ho faty aho; koa ao amin'ny fasako, izay nohadiko ho ahy any amin'ny tany Kanana, dia ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka aho hiakatra handevina ny raiko, dia hiverina at? indray. Ary hoy Farao: Miakara ary, ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao. Dia lasa niakatra Josefa handevina ny rainy; ary niara-niakatra taminy ny mpanompon'i Fa rao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin'ny tany Egypta, ary ny ankohonan'i Josefa rehetra sy ny rahalahiny ary ny ankohonan-drainy; ny ankizy madinika sy ny ondriny aman'osiny sy ny ombiny ihany no navelany tao amin'ny tany Gosena. Ary nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly niara-niakatra taminy koa, ka lehibe dia lehibe ny tobiny. Ary rehefa tonga teo Goren'atada izy, izay ao an-dafin'i Jordana, dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo izy; dia nisaona an-drainy hafitoana Josefa. Ary rehefa hitan'ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Goren-atada, dia hoy izy: Fisaonana mafy amin'ny Egyptiana izao; izany no nanaovany ny anarany hoe Abel-Egyptiana, izay ao an-dafin'i Jordana. Ary ny zanakalahin'i Jakoba nanao taminy araka izay nandidiany azy, dia nitondra azy tany amin'ny tany Kanana, ary nandevina azy tao amin'ny zohy amin'ny saha Makpela, tandrifin'i Mamre, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany fandevena na. Ary rehefa voalevin'i Josefa ny rainy, dia niverina tany Egypta izy sy ny rahalahiny mbamin'izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy. Ary rehefa hitan'ny rahalahin'i Josefa fa maty ny rainy, dia hoy izy: Andrao hanao fo-lentika amintsika Josefa ka hamaly antsika tokoa noho izay ratsy rehetra nataontsika taminy. Dia naniraka nankany amin'i Josefa izy ka nanao hoe: Ny rainao nanafatra, fony izy tsy mbola maty, ka nanao hoe: Izao no holazainareo amin'i Josefa: Mamela re ny fahadisoan'ny rahalahinao sy ny fahotany, fa efa nanao ratsy taminao izy; eny, mamela ankehitriny ny fahadisoan'ny mpanompon'ny Andriamanitry ny rainao. Dia nitomany Josefa, raha niteny taminy izy ireo. Koa nanatona azy ny rahalahiny, dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Indreto izahay ho mpanomponao. Ary hoy Josefa taminy: Aza matahotra; fa moa solon'Andriamanitra va aho? Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, hanao tahaka ny amin'izao anio izao, ham elona olona betsaka. Koa ankehitriny, aza matahotra ianareo; fa izaho hamelona anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nanao teny malefaka nahafinaritra azy izy. Ary Josefa sy ny ankohonan'ny rainy nonina tany Egypta; ary ny andro niainan'i Josefa dia folo amby zato taona. Ary hitan'i Josefa ny zafiafin'i Efraima; ny zanak'i Makira koa, zanakalahin'i Manase, dia noraisin'i Josefa ho eo am-pofoany. Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Ho faty aho; nefa Andriamanitra hamangy anareo tokoa ka hitondra anareo hiala amin'ity tany ity ho any amin'ny tany izay nianianany tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy. Ary Josefa dia nampianiana ny zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala eto ianareo. Dia maty Josefa, rehefa folo amby zato taona; ary dia nohosorany zava-manitra izy ka napetrany tao anatin'ny vata tany Egypta. »
FLS:
« Il ordonna aux médecins à son service d'embaumer son père, et les méd ecins embaumèrent Israël. Quarante jours s'écoulèrent ainsi, et furent employés à l'embaumer. Et les Égyptiens le pleurèrent soixante-dix jours. Quand les jours du deuil furent passés, Joseph s'adressa aux gens de la maison de Pharaon, et leur dit: Si j'ai trouvé grâce à vos yeux, rapportez, je vous prie, à Pharaon ce que je vous dis. Mon père m'a fait jurer, en disant: Voici, je vais mourir! Tu m'enterreras dans le sépulcre que je me suis acheté au pays de Canaan. Je voudrais donc y monter, pour enterrer mon père; et je reviendrai. Pharaon répondit: Monte, et enterre ton père, comme il te l'a fait jurer. Joseph monta, pour enterrer son père. Avec lui montèrent tous les serviteurs de Pharaon, anciens de sa maison, tous les anciens du pays d'Égypte, toute la maison de Joseph, ses frères, et la maison de son père: on ne laissa dans le pays de Gosen que les enfants, les brebis et les boeufs. Il y avait encore avec Joseph des chars et des cavaliers, en sorte que le cortège était très nombreux. Arrivés à l'aire d'Athad, qui est au delà du Jourdain, ils firent entendre de grandes et profondes lamentations; et Joseph fit en l'honneur de son père un deuil de sept jours. Les habitants du pays, les Cananéens, furent témoins de ce deuil dans l'aire d'Athad, et ils dirent: Voilà un grand deuil parmi les Égyptiens! C'est pourquoi l'on a donné le nom d'Abel Mitsraïm à cette aire qui est au delà du Jourdain. C'est ainsi que les fils de Jacob exécutèrent les ordres de leur père. Ils le transportèrent au pays de Canaan, et l'enterrèrent dans la caverne du champ de Macpéla, qu'Abraham avait achetée d'Éphron, le Héthien, comme propriété sépulcrale, et qui est vis-à-vis de Mamré. Joseph, après avoir enterré son père, retourna en Égypte, avec ses frères et tous ceux qui étaient montés avec lui pour enterrer son père. Quand les frères de Joseph virent que leur père était mort, ils dirent: Si Joseph nous prenait en hain e, et nous rendait tout le mal que nous lui avons fait! Et ils firent dire à Joseph: Ton père a donné cet ordre avant de mourir: Vous parlerez ainsi à Joseph: Oh! pardonne le crime de tes frères et leur péché, car ils t'ont fait du mal! Pardonne maintenant le péché des serviteurs du Dieu de ton père! Joseph pleura, en entendant ces paroles. Ses frères vinrent eux-mêmes se prosterner devant lui, et ils dirent: Nous sommes tes serviteurs. Joseph leur dit: Soyez sans crainte; car suis-je à la place de Dieu? Vous aviez médité de me faire du mal: Dieu l'a changé en bien, pour accomplir ce qui arrive aujourd'hui, pour sauver la vie à un peuple nombreux. Soyez donc sans crainte; je vous entretiendrai, vous et vos enfants. Et il les consola, en parlant à leur coeur. Joseph demeura en Égypte, lui et la maison de son père. Il vécut cent dix ans. Joseph vit les fils d'Éphraïm jusqu'à la troisième génération; et les fils de Makir, fils de Manassé, naquirent sur ses g enoux. Joseph dit à ses frères: Je vais mourir! Mais Dieu vous visitera, et il vous fera remonter de ce pays-ci dans le pays qu'il a juré de donner à Abraham, à Isaac et à Jacob. Joseph fit jurer les fils d'Israël, en disant: Dieu vous visitera; et vous ferez remonter mes os loin d'ici. Joseph mourut, âgé de cent dix ans. On l'embauma, et on le mit dans un cercueil en Égypte. »
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire