samedi 31 juillet 2021

Hafatra Baiboly samedi--31/07/2021






FLS :





KJV :




MLG:









ANKAMATATRA - QUIZ BIBLIQUE

Quiz du samedi--31/07/2021:



Quel prophète prend comme image un homme rencontrant un ours alors qu'il s'enfuyait de devant un lion ?






Reponse du Quiz du vendredi 30/07/2021

Qui périt pour avoir demandé en mariage sa belle-mère ?



Réponse: 1 Rois 2:13-25
MLG:
« Ary Adonia, zanakalahin'i Hagita, nankany amin'i Batseba, renin'i Solomona. Ary hoy ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy izy: Eny, fihavanana. Ary hoy koa izy: Misy teny kely holazaiko aminao. Ary hoy ravehivavy: Lazao ary. Dia hoy izy: Hianao mahala la fa ahy ny fanjakana, ary ny Isiraely rehetra nanandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan'ny rahalahiko, fa azony avy tamin'i Jehovah. Koa ankehitriny zavatra iray loha no mba angatahiko aminao; ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ravehivavy taminy: Lazao ary. Dia hoy izy: Masìna ianao, mitenena amin'i Solomona mpanjaka (fa tsy handà anao izy). mba homeny ho vadiko Abisaga Sonemita. Ary hoy Batseba: Eny ary, fa izaho dia hilaza ny teninao amin'ny mpanjaka. Ary Batseba nankany amin'i Solomona mpanjaka hilaza aminy ny tenin'i Adonia. Ary ny mpanjaka nitsangana hitsena an'i Batseba sady niankohoka teo anatrehany, dia nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany, ary nasainy nisy nitondra seza fiandrianana koa ho an'ny renin'ny mpanjaka; ka dia nipetraka teo amin'ny ankavanany izy. Ary hoy izy: Misy zavatra kely iray loha mba hangatahiko aminao, ka aza dia lavinao aho. Ary hoy ny mpanjaka: Angataho ary, ry ineny, fa tsy handà anao aho. Dia hoy izy: Aoka Abisaga Sonemita homena ho vadin'i Adonia rahalahinao. Fa Solomona mpanjaka namaly ka nanao tamin-dreniny hoe: Nahoana ianao no mangataka an'i Abisaga Sonemita ho an'i Adonia; angataho ho azy koa ary ny fanjakana, fa izy no zokiko, dia ho azy sy Abiatara mpisorona ary ho an'i Joaba, zanak'i Zeroia. Ary Solomona mpanjaka dia nianiana tamin'i Jehovah hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty Adonia noho ny nanaovany izany teny izany. Koa ankehitriny, raha velona koa Jehovah, Izay nampitoetra sy nametraka ahy teo amin'ny seza fiandrianan'i Davida raiko sady nanome ahy fara handimby araka izay nolazainy, dia hatao maty anio ihany Adonia.[Heb. nanao trano ho ahy] Ary Solomona mpanjaka naniraka an'i Benaia, zanak'i Joiada; ary izy namely azy ho faty. »
FLS:
« Adonija, fils de Haggith, alla vers Bath Schéba, mère de Salomon. Elle lui dit: Viens-tu dans des intentions paisibles? Il répondit: Oui. Et il ajouta: J'ai un mot à te dire. E lle dit: Parle! Et il dit: Tu sais que la royauté m'appartenait, et que tout Israël portait ses regards sur moi pour me faire régner. Mais la royauté a tourné, et elle est échue à mon frère, parce que l'Éternel la lui a donnée. Maintenant, je te demande une chose: ne me la refuse pas! Elle lui répondit: Parle! Et il dit: Dis, je te prie, au roi Salomon-car il ne te le refusera pas-qu'il me donne pour femme Abischag, la Sunamite. Bath Schéba dit: Bien! je parlerai pour toi au roi. Bath Schéba se rendit auprès du roi Salomon, pour lui parler en faveur d'Adonija. Le roi se leva pour aller à sa rencontre, il se prosterna devant elle, et il s'assit sur son trône. On plaça un siège pour la mère du roi, et elle s'assit à sa droite. Puis elle dit: J'ai une petite demande à te faire: ne me la refuse pas! Et le roi lui dit: Demande, ma mère, car je ne te refuserai pas. Elle dit: Qu'Abischag, la Sunamite, soit donnée pour femme à Adonija, ton frère. Le roi Salomon rép ondit à sa mère: Pourquoi demandes-tu Abischag, la Sunamite, pour Adonija? Demande donc la royauté pour lui, -car il est mon frère aîné, -pour lui, pour le sacrificateur Abiathar, et pour Joab, fils de Tseruja! Alors le roi Salomon jura par l'Éternel, en disant: Que Dieu me traite dans toute sa rigueur, si ce n'est pas au prix de sa vie qu'Adonija a prononcé cette parole! Maintenant, l'Éternel est vivant, lui qui m'a affermi et m'a fait asseoir sur le trône de David, mon père, et qui m'a fait une maison selon sa promesse! aujourd'hui Adonija mourra. Et le roi Salomon envoya Benaja, fils de Jehojada, qui le frappa; et Adonija mourut. »

Aucun commentaire: