Deutéronome 9:6
FLS :
Sache donc que ce n'est point à cause de ta justice que l'Éternel, ton Dieu, te donne ce bon pays pour que tu le possèdes; car tu es un peuple au cou roide.
KJV :
Understand therefore, that the LORD thy God giveth thee not this good land to possess it for thy righteousness; for thou (art) a stiffnecked people.
MLG:
Koa aoka ho fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no anomezan'i Jehovah Andriamanitrao izany tany soa izany ho lovanao; fa firenena mafy hatoka ianao.
ANKAMATATRA - QUIZ BIBLIQUE
Quiz du lundi--22/06/2020:
Quel psaume parle de la glace ?
Reponse du Quiz du dimanche 21/06/2020
Qui posa la question : «Un mortel sera-t-il plus juste que Dieu ?» ?
Réponse: Job 4:1-17
MLG:
« [Ny teny voalohany nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe: Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany? Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao; Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao Tsy ny fivavahanao va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian'ny lalanao? [Heb. fahatahoranao] Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana? Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany. Ny fofonain'Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain'ny fahatezerany no mahalevona azy. Ny feon' ny olona, eny, ny feon'ny liona masiaka, ary ny nifin'ny liona tanora dia ombotana; Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy. Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy, Tamin'ny eritreritra avy amin'ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona, Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany. Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako. Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan'ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe: Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak'olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona?[Na: eo anatrehan'] »
FLS:
« Éliphaz de Théman prit la parole et dit: Si nous osons ouvrir la bouche, en seras-tu peiné? Mais qui pourrait garder le silence? Voici, tu as souvent enseigné les autres, Tu as fortifié les mains languissantes, Tes paroles ont relevé ce ux qui chancelaient, Tu as affermi les genoux qui pliaient. Et maintenant qu'il s'agit de toi, tu faiblis! Maintenant que tu es atteint, tu te troubles! Ta crainte de Dieu n'est-elle pas ton soutien? Ton espérance, n'est-ce pas ton intégrité? Cherche dans ton souvenir: quel est l'innocent qui a péri? Quels sont les justes qui ont été exterminés? Pour moi, je l'ai vu, ceux qui labourent l'iniquité Et qui sèment l'injustice en moissonnent les fruits; Ils périssent par le souffle de Dieu, Ils sont consumés par le vent de sa colère, Le rugissement des lions prend fin, Les dents des lionceaux sont brisées; Le lion périt faute de proie, Et les petits de la lionne se dispersent. Une parole est arrivée furtivement jusqu'à moi, Et mon oreille en a recueilli les sons légers. Au moment où les visions de la nuit agitent la pensée, Quand les hommes sont livrés à un profond sommeil, Je fus saisi de frayeur et d'épouvante, Et tous mes os tremblèrent. Un esprit passa près de moi... Tous mes cheveux se hérissèrent... Une figure d'un aspect inconnu était devant mes yeux, Et j'entendis une voix qui murmurait doucement: L'homme serait-il juste devant Dieu? Serait-il pur devant celui qui l'a fait? »
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire