mardi 11 février 2020

Hafatra Baiboly mardi--11/02/2020


Psaumes 16:4





FLS :

On multiplie les idoles, on court après les dieux étrangers: Je ne répands pas leurs libations de sang, Je ne mets pas leurs noms sur mes lèvres.



KJV :

Their sorrows shall be multiplied (that) hasten (after) another (god): their drink offerings of blood will I not offer, nor take up their names into my lips.


MLG:

Ho be ny fahorian'izay manova an'Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin'ny molotro ny anarany.







ANKAMATATRA - QUIZ BIBLIQUE

Quiz du mardi--11/02/2020:



Quel roi installa des conduites d'eau souterraines à Jérusalem ?






Reponse du Quiz du l undi 10/02/2020

De qui ne pouvait-on pas délier les courroies des sandales ?



Réponse: Marc 1:7 ; Luc 3:16
MLG:
« Ary nitory izy ka nanao hoe: Avy ao aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy miendrika hiondrika hamaha ny fehin-kapany aza aho. Izaho efa nanao batisa anareo tamin'ny rano, fa Izy kosa hanao batisa anareo amin'ny Fanahy Masina. Ary tamin'izany andro izany dia tonga avy tany Nazareta any Galilia Jesosy ka nataon'i Jaona batisa tao Jordana. Ary raha vao niakatra avy teo amin'ny rano Izy, dia hitany ny lanitra nisokatra, ary ny Fanahy nidina tahaka ny voromailala ka nankeo amboniny. Ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako. Ary niaraka tamin'izay dia nampandehanin'ny Fanahy ho any an-efitra Izy.[Gr. noroahin'] Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain'i Satana fanahy; ary teo amin'ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy. Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa tonga ny fotoana, ka efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra; mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. Ary nony nandalo teny amoron'ny Ranomasin'i Galilia Izy, dia nahita an'i Simona sy Andrea, rahalahin'i Simona, nanarato teo amin'ny ranomasina; fa mpanarato izy. Ary hoy Jesosy taminy: Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo. Dia nandao ny harato niaraka tamin'izay izy ka nanaraka Azy. Ary rehefa nandroso kelikely Izy, nahita an'i Jakoba, zanak'i Zebedio, Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa namboatra ny haratony. Dia niantso azy niaraka tamin'izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an'i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin'ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an'i Jesosy. Ary nankany Kapernaomy izy ireo; nony tamin'ny Sabata, dia niditra tao amin'ny synagoga niaraka tamin'izay Jesosy ka nampianatra. Dia talanjona ny olona tamin'ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fa hefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna. Ary niaraka tamin'izay dia nisy olona teo amin'ny synagogany, izay azon'ny fanahy maloto; ary niantso mafy ralehilahy ka nanao hoe: Moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesosy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa Ilay Masin'Andriamanitra Hianao. Ary Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangina ianao ka mivoaha aminy. Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona ny tenan'ilay marary, dia niantso tamin'ny feo mahery ka niala taminy. Dia gaga ny olona rehetra ka nifanontany hoe: Manao ahoana re izao zavatra izao? Fampianarana vaovao misy fahefana izao! fa ny fanahy maloto aza no didiany, ka dia manaiky Azy. Ary ny lazany dia niely niaraka tamin'izay teny tontolo eny tamin'ny tany rehetra eran'i Galilia. Ary niaraka tamin'izay, raha nivoaka avy tao amin'ny synagoga izy, dia niditra tao an-tranon'i Simona sy Andrea Jesosy ary Jakoba sy Jaona. Ary ny rafozam-bavin'i Simona nandry teo nanavin'ny tazo; ary niaraka tamin'izay dia nilaza azy taminy izy ireo. Dia nanatona Jesosy ka nandray ny tànany ary nanarina azy; dia afaka ny tazony, ka dia nanompo azy izy. Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka. Ary ny tao an-tanàna rehetra dia tafangona teo anoloan'ny varavarana avokoa. Ary nahasitrana olona maro izay nararin'ny aretina samy hafa Izy sady namoaka demonia maro; ary tsy navelany hiteny ny demonia, satria nahafantatra Azy ireny. Ary nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany an-tany foana ka nivavaka tany. Ary dia nandeha nitady Azy Simona sy ny namany. Ary nahita Azy izy, dia nanao taminy hoe: Ny olona rehetra mitady Anao. Fa hoy kosa Izy taminy: Andeha isika hiala hankany amin'ny tanàna akaiky, mba hitoriako teny any koa; fa izay no nahatongavako. Dia nandeha Izy ka nitori-teny tao amin'ny synagogan'ny olona eran'i Galilia sady namoaka ny demonia. Ary nisy boka nanatona Azy ka nitaraina taminy sady nandohalika teo anatrehany ka nanao taminy hoe: Raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy. Ary Jesosy dia onena azy ka naninjitra ny tànany, dia nanendry azy ka nanao taminy hoe: Mety Aho; madiova ianao. Ary niaraka tamin'izay dia niala taminy ny habokany, ka dia nadio izy. Ary namepetra azy mafy Jesosy, dia nampandeha azy niaraka tamin'izay ka nanao taminy hoe: Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin'iza na amin'iza; fa mandehana, misehoa amin'ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian'i Mosesy, ho vavolombelona amin'ireo. Nefa lasa ralehilahy ka nilazalaza sy nampiely izany zavatra izany, ka dia tsy nahazo niditra miharihary tao an-tanàna intsony Jesosy; fa nitoetra tany ivelany tamin'ny tany foana Izy, dia nanatona Azy ny olona avy eny tontolo eny. »
FLS:
« Il prêchait, disant: Il vient après moi celui qui est plus puissant que moi, et je ne suis pas digne de délier, en me baissant, la courroie de ses souliers. Moi, je vous ai baptisés d'eau; l ui, il vous baptisera du Saint Esprit. En ce temps-là, Jésus vint de Nazareth en Galilée, et il fut baptisé par Jean dans le Jourdain. Au moment où il sortait de l'eau, il vit les cieux s'ouvrir, et l'Esprit descendre sur lui comme une colombe. Et une voix fit entendre des cieux ces paroles: Tu es mon Fils bien-aimé, en toi j'ai mis toute mon affection. Aussitôt, l'Esprit poussa Jésus dans le désert, où il passa quarante jours, tenté par Satan. Il était avec les bêtes sauvages, et les anges le servaient. Après que Jean eut été livré, Jésus alla dans la Galilée, prêchant l'Évangile de Dieu. Il disait: Le temps est accompli, et le royaume de Dieu est proche. Repentez-vous, et croyez à la bonne nouvelle. Comme il passait le long de la mer de Galilée, il vit Simon et André, frère de Simon, qui jetaient un filet dans la mer; car ils étaient pêcheurs. Jésus leur dit: Suivez-moi, et je vous ferai pêcheurs d'hommes. Aussitôt, ils laissèrent leurs filets, et le suivirent. Étant allé un peu plus loin, il vit Jacques, fils de Zébédée, et Jean, son frère, qui, eux aussi, étaient dans une barque et réparaient les filets. Aussitôt, il les appela; et, laissant leur père Zébédée dans la barque avec les ouvriers, ils le suivirent. Ils se rendirent à Capernaüm. Et, le jour du sabbat, Jésus entra d'abord dans la synagogue, et il enseigna. Ils étaient frappés de sa doctrine; car il enseignait comme ayant autorité, et non pas comme les scribes. Il se trouva dans leur synagogue un homme qui avait un esprit impur, et qui s'écria: Qu'y a-t-il entre nous et toi, Jésus de Nazareth? Tu es venu pour nous perdre. Je sais qui tu es: le Saint de Dieu. Jésus le menaça, disant: Tais-toi, et sors de cet homme. Et l'esprit impur sortit de cet homme, en l'agitant avec violence, et en poussant un grand cri. Tous furent saisis de stupéfaction, de sorte qu'il se demandaient les uns aux autres: Qu'est-ce que ceci? Une nouvelle doctrine! Il comma nde avec autorité même aux esprits impurs, et ils lui obéissent! Et sa renommée se répandit aussitôt dans tous les lieux environnants de la Galilée. En sortant de la synagogue, ils se rendirent avec Jacques et Jean à la maison de Simon et d'André. La belle-mère de Simon était couchée, ayant la fièvre; et aussitôt on parla d'elle à Jésus. S'étant approché, il la fit lever en lui prenant la main, et à l'instant la fièvre la quitta. Puis elle les servit. Le soir, après le coucher du soleil, on lui amena tous les malades et les démoniaques. Et toute la ville était rassemblée devant sa porte. Il guérit beaucoup de gens qui avaient diverses maladies; il chassa aussi beaucoup de démons, et il ne permettait pas aux démons de parler, parce qu'ils le connaissaient. Vers le matin, pendant qu'il faisait encore très sombre, il se leva, et sortit pour aller dans un lieu désert, où il pria. Simon et ceux qui étaient avec lui se mirent à sa recherche; et, quand ils l 'eurent trouvé, ils lui dirent: Tous te cherchent. Il leur répondit: Allons ailleurs, dans les bourgades voisines, afin que j'y prêche aussi; car c'est pour cela que je suis sorti. Et il alla prêcher dans les synagogues, par toute la Galilée, et il chassa les démons. Un lépreux vint à lui; et, se jetant à genoux, il lui dit d'un ton suppliant: Si tu le veux, tu peux me rendre pur. Jésus, ému de compassion, étendit la main, le toucha, et dit: Je le veux, sois pur. Aussitôt la lèpre le quitta, et il fut purifié. Jésus le renvoya sur-le-champ, avec de sévères recommandations, et lui dit: Garde-toi de rien dire à personne; mais va te montrer au sacrificateur, et offre pour ta purification ce que Moïse a prescrit, afin que cela leur serve de témoignage. Mais cet homme, s'en étant allé, se mit à publier hautement la chose et à la divulguer, de sorte que Jésus ne pouvait plus entrer publiquement dans une ville. Il se tenait dehors, dans des lieux déserts, et l'on venait à lui de toutes parts. »

Aucun commentaire: