Lév 17.1-18.30
Noraran'Andriamanitra ny famonoana biby hatao fanatitra ivelan'ny tabernakely na ny toerana misy alitara iasan'ny levita. Izany moa dia mba tsy, hampibirioka ho amin'ny fanaovana fanatitra ho an'ny sampy hafa na devoly. Eto tsy dia mazavaz loatra raha ny biby rehetra vonoina no mila aterina any @ alitara ny rany sy ny jaborany, fa ny azo antoka mazava dia ny ra dia tsy azo hanina fa dia ariana ao ambanin'ny tany.
Io fihetsika fitsitsiana ny aina sy fampisehoana fa Andriamanitra irery ihany no tokony afaka mandatsakaina na dia biby aza, dia endriky ny ecologisme.
Misy ihany koa ny fiarovana @ fihinana rà, izay aratsiantifika dia mitombina satria ny ra no mitondra ireo loto maro isankarazany izay mety tsy ho matin'ny hafanan'ny fandrahoana ny sasany.
Ny toko faha 18 indray dia ireo endriky ny fijangajangana na fahavetavetana tsy sitrak'Andriamanitra. Toy ny fanaovana mamoafady @ biby, na ny samy mitovy sexe. Lesbianism sy ny homosexualité.Eo ihany koa ny fandraran'Andriamanitra ny cossanguinité. Nefa ny cousins toa mety. Voarara avy hatrany koa moa eto ny fijangajangana, fa mamela kosa ny polygamie.
Ps 41
Salamo mahafinaritra izay maneho ny olan'ny marina manoloana ny tsy marina. Ireo fahavalo izay manenjika azy tsy ahoantsiy ahoana, ary ireo sakaizany izay mamadika azy
Prov 8.32-36
Antson'ny fahendrena, izay tia fahendrena dia ho sambatra fa izay tia hadalana dia ho fatin'izany. Sambatra koa izay manana Andriamanitra sy manompo azy (pratiquant) tonga eo ambavahadiny isanandro, satria hahazo ny fanambinan'Atra
Matt 13.47-14.12
Toy ny harato ny fanjakan'Andriamanitra ka mahazo ireo karazatrondro isankarazany. Horaisina izay tsara, hariana izay ratsy.
Tany @ toerana niaviany Jesosy fa saingy tsy nisy nihaino azy satria nahafantatra tsara ny fianakaviany ireo. Tsy nanao fahagagana maro tao Izy.
Ny toko faha 14 dia mitantara ny nahafaty an'i Jaona mpanao batisa. Noho ny vavan'ny Heroda dia ny ain'i Jaona no nanefa. Hita eto koa ny haratsin'ny fon'ny vehivavy toa andry Herodiasy sy ny complots ny. koa tandremo ty vava.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire