Lév 11.1-12.8
ato no voatanisa ireo sakafo fady ho an'ny jiosy, indrindra moa fa tsy azo kasihina mihitsy izy ireny. Anisan'izany ny katsatsaka sy ny tarondro (tanalahy). Ao ihany koa ny voalavo sy ny totozy. Io angamba no tena aro tsara indrindra @ peste.
Maloto ny vehivavy avy miteraka mandritra ny fito andro aorian'ny andro iterahany
Ps 38
Car mes iniquités s'élèvent au-dessus de ma tête; Comme un lourd fardeau, elles sont trop pesantes pour moi....Ne m'abandonne pas, Eternel! Mon Dieu, ne t'éloigne pas de moi! Viens en hâte à mon secours, Seigneur, mon salut!
Ireo angamba no azo amehezana an'io andalanteny nosoratan'ny Davida io. Mavesatra dia mavesatra ny fahotany, moa ve isika mba mahatsiaro ny vesatry ny fahotana? sa zavatra maivana sy tsy misy dikany amintsika izany?
Prov 7.6-27
Ny fahadalan'izay mandeha manaraka ny filany vehivavy janga...làlana mankamin'ny fahafatesana tsy azo odivirana.
Matt 12.1-32
Jesosy sy ny sabata: Ny mpianany mitsindroka vary eny antsaha @ andro sabata. Jesosy manasitra olona maty tanana. Jesosy manasitrana olona moana marenina misy devoly. Tsy fahagagana izany ho an'ny Jiosy izay te hamono azy mafy (nahoana no tiany vonoina? satria tsy manaraka ny didy sy fitsipika feheziny) fa asan'ny devoly.
Ny filazan'i Jesosy fa tsy misy famelankeloka mihitsy ho an'izay miteny ratsy ny Fanahy Masina
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire