samedi 21 août 2021
Hafatra Baiboly samedi--21/08/2021
FLS :
KJV :
MLG:
ANKAMATATRA - QUIZ BIBLIQUE
Quiz du samedi--21/08/2021:
Quel cavalier eut son pied coincé contre un mur ?
Reponse du Quiz du vendredi 20/08/2021
Quand est-ce qu'un Égyptien affamé conduisit-il des soldats Hébreux à la victoire ?
Réponse: 1 Samuel 30:11-20
MLG:
« Ary nahita lehilahy Egyptiana tany an-tsaha ny olona, ka nentiny tany amin'i Davida; ary nomeny hanina ralehilahy, ka nihinana izy, ary nampisotroiny rano koa izy. Ary nomeny ampempan'aviavy iray didy sy voaloboka maina roa sampaho izy; ary rehefa nihinana izy, dia nody indray ny ainy; fa hat eloan'andro sy hateloan'alina izy tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary hoy Davida taminy: An'iza moa ianao, ary avy taiza? Ary hoy izy: Zatovo Egyptiana, mpanompon'ny Amalekita anankiray, aho; ary narian'ny tompoko aho, fa narary afaka omaly. Izahay efa nanafika ny tany atsimo izay an'ny Keretita sy ny an'i Joda ary ny tany atsimo izay an'i Kaleba ary nandoro an'i Ziklaga tamin'ny afo. Ary hoy Davida taminy: Hitondra ahy midina ho amin'izany jirika izany va ianao? Ary hoy izy: Mianiàna amiko amin'Andriamanitra fa tsy hamono ahy ianao na hanolotra ahy ho eo an-tànan'ny tompoko, dia hitondra anao midina ho amin'izany jirika izany aho. Ary nony nentiny nidina izy, indreo, miely eran'ny tany izy ka homana sy misotro ary milanona noho ny haben'ny babo rehetra izay azony tamin'ny tanin'ny Filistina sy ny tanin'ny Joda. Ary Davida namely azy tamin'iny takariva iny ka hatramin'ny ampitso hariva; ary tsy nisy olona afaka, afa-tsy zatovo efa-jato lahy izay nitaingina rameva ka nandositra . Dia rarak'i Davida izay rehetra efa nobaboin'ny Amalekita; ary dia azon'i Davida koa ny vadiny roa. Ary tsy nisy zavatra tsy azony, na kely na be, na zazalahy na zazavavy, na inona na inona tamin'izay nobaboin'ireny; izany rehetra izany dia azon'i Davida avokoa. Ary Davida naka ny ondry aman'osy sy ny omby rehetra; ary nentiny nialoha ny omby hafa ireo, sady nisy niantso hoe: Itony no babon'i Davida. »
FLS:
« Ils trouvèrent dans les champs un homme égyptien, qu'ils conduisirent auprès de David. Ils lui firent manger du pain et boire de l'eau, et ils lui donnèrent un morceau d'une masse de figues sèches et deux masses de raisins secs. Après qu'il eut mangé, les forces lui revinrent, car il n'avait point pris de nourriture et point bu d'eau depuis trois jours et trois nuits. David lui dit: A qui es-tu, et d'où es-tu? Il répondit: Je suis un garçon égyptien, au service d'un homme amalécite, et voilà trois jours que mon maître m'a abandonné parce que j' étais malade. Nous avons fait une invasion dans le midi des Kéréthiens, sur le territoire de Juda et au midi de Caleb, et nous avons brûlé Tsiklag. David lui dit: Veux-tu me faire descendre vers cette troupe? Et il répondit: Jure-moi par le nom de Dieu que tu ne me tueras pas et que tu ne me livreras pas à mon maître, et je te ferai descendre vers cette troupe. Il lui servit ainsi de guide. Et voici, les Amalécites étaient répandus sur toute la contrée, mangeant, buvant et dansant, à cause du grand butin qu'ils avaient enlevé du pays des Philistins et du pays de Juda. David les battit depuis l'aube du jour jusqu'au soir du lendemain, et aucun d'eux n'échappa, excepté quatre cents jeunes hommes qui montèrent sur des chameaux et s'enfuirent. David sauva tout ce que les Amalécites avaient pris, et il délivra aussi ses deux femmes. Il ne leur manqua personne, ni petit ni grand, ni fils ni fille, ni aucune chose du butin, ni rien de ce qu'on leur avait enlevé: David r amena tout. Et David prit tout le menu et le gros bétail; et ceux qui conduisaient ce troupeau et marchaient à sa tête disaient: C'est ici le butin de David. »
Inscription à :
Publier les commentaires (Atom)
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire